Richard RATSIMANDRAVA
21 marsa 1931 - 11 febroary 1975

Iza izy : Richard Ratsimandrava ?

Ny" fanahy mahaolona " nentim-paharazana , ijoroana amin'ny maha-malagasy,
no fenitry ny Kolonely Ratsimandrava hitondrana ny Tany sy ny Fanjakana miorim-paka amin'ny Fokonolona.
Tsy mba navakavaka izy. Sarobidy taminy ny Fiandrianam-pirenena.
Fifanakalozan-kevitra no nihainoany hatrany ny hevitr'ireo natonony sy ireo nanatona
azy amim-pifaliana.
Teraka:
Asabotsy 21 Marsa 1931, 12 ora sy 20 mn antoandro,tao Mangarivotra, AntananarivoZanak'Itl Ratsimandrava (Professeur Assistant) sy Itv RasoanindrinaNanambady an-dRazafindramoizina Thérèse tamin'ny 22 Septambra 1956Manan-janaka eninaFinoana : Protestanta
Fianarana nataony:
1938 : Sekoly Ambavahadimangatsiaka Antsirabe1940 : Lycée Galliéni, nanomboka 9éme hatramin'ny Terminales - BaccalauréatMathématiques Elémentaires (5 Jolay 1952) tao Andohalo Antananarivo1952-1954 : Lycée Carnot Dijon nanomana fifaninanana hidirana ao Saint-Cyr1954-1956 : Nianatra tao amin'ny Ecole spéciale militaire interarmes de Saint-Cyr Coetquidan - Promotion du Lieutenant Colonel Amilakvari (Infanterie métropolitaine)
Marim-boninahitra :
20 Aogositra 1957 : Commémoration AFN14 Jiona 1966 : Chevalier de l'Ordre national14 Oktobra 1971 : Officier de l'Ordre national31 Desambra 1971 : Chevalier de la Légion d'honneur5 Febroary 1975 : Grand Cordon de l'Ordre national
Fisondrotana tamin'ny asa :
1Okt. 1956 : Sous-Lieutenant niofana tao amin'ny Ecole d'application de l'Infanterie de St Maixent FranceDes.1956-Aog.1958 : Niatrika ady tany Maroc sy Algérie 1 Marsa 1958 : Nifindra tamin'ny Infanterie coloniale17 Aog. 1958 : Namita ny fiofanana Ecole d'application de l'infanterie de Saint Maixent1 Okt. 1958 : Nasondrotra ho Lieutenant 5 Jan. 1959 : Mpampianatra tao amin'ny Centre d'Instruction des nouvelles recrues tao amin'ny Camp Galliénitany Fréjus (France)14 Jolay 1959 : Porte-drapeau nitondra saina malagasy tamin'ny matso lehibe natao tany Paris 27 Okt. 1959 : Niverina taty Madagasikara28 Okt. 1959 : Mpampianatra tao amin'ny Centre d'instruction des nouvelles recrues tao Beravina Fianarantsoa.Nanao famelabelarana momba ny Zon'olombelona noho ny tsindrihazolena natao tamin'ireo miaramilazazavao ary nampahafantatra azy ireo ny zony11 Jiona 1960 : Voatendry ho Mpifehy ny Holafitra Faha-2, 1er Régiment Interarmes Malgache Antananarivo1 Febr. 1962 : Nasondrotra ho Kapiteny1 Nov. 1962 : Voatendry tao amin'ny Zandarmaria nasionaly13 Mey 1963 : Niofana ho Zandary tany Lodève (Hérault - France)1 Okt. 1963 : Niofana tao amin'ny Sekoly Manamboninahitra Zandary, Melun-(France)Jona 1964 : Nahazo ny Certificat en Sciences criminologiques tao Paris18 Jolay 1964 : Niverina indray teto Madagasikara ary izy no Manamboninahitra Zandary Malagasy voalohany 1 Sept. 1964 : Voatendry ho Lefitry ny Commandant du Groupement de la Gendarmerie tany Toamasina
1 Jan. 1965 : Nasondrotra ho Chef d'Escadron, Commandant du Groupement de la Gendarmerie nationale tany Toamasina1 Aog. 1967 : Notendrena ho Lefitry ny Komandy Ambony tao amin'ny Zandarmaria nasionaly1 Jiona 1968 : Nasondrotra ho Lieutenant Colonel1 Avrily 1969 : Notoloran'ny Filohan'ny Repoblika Philibert Tsiranana ny Fanevan'ny Komandy ambony ao amin'ny Zandarmaria.Avrily 1971 : Nampitsahatra ny fifampindrafiana noho ny fikomiana tany Atsimo ary, namitrana fampihavanana tany nandritra ny iray volana mahery13 Mey 1972 : Nolazaina ho mikomy tamin'ny Fanjakana mpitondra tamin'izany raha nanohitra ny fitifirana ny Mpianatra tamin'ny raharaha 13 Mey 197225 Mey 1972 : Notendrena ho Minisitry ny Atitany, sady Komandin'ny Zandarmaria nasionaly, tao amin'ny Governemantan'ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel 8 Okt. 1972 : Faneken'ny Vahoaka malagasy nahafahana nanangana ny fokonolona tamin'ny fitsapana hevi-bahoaka nanangana ny Fokonolona 1 Jan. 1973 : Nasondrotra ho KolonelyMarsa 1973 - Des. 1974 : Minisitry ny "Ala olana" no niantsoan'ny Fokonolona azy, fa nahazo namosa-kevitra an-kahalahana tao amin'ny Radio Madagasikara ny Vahoaka nifanakalo hevitra mivantana taminy nanerana ny Nosy, ary nisy ny fahalalahana tanteraka koa teo amin'ny asa fanaovan-gazety : - - Fanentanana ny vahoaka mikasika ny Fokonolona
- - Fananganana ireo rafitra mifehy
- - Fifidianana ireo ambararonga samihafa
23 Jan. 1975 : Noravan'ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel ny Governemantany5 Feb. 1975 : Notoloran'ny Jeneraly RAMANANTSOA ny "Fahefana feno"hitondra ny Tany sy ny Fanjakana ho Filoham-panjakana, Lehiben'ny Governemanta, Minisitry ny Fiarovam-pirenena sy ny Tetipivoarana
Talata 11 Febr. 1975, 8 ora alina : Notifirin'ny fahavalon'ny fahamarinana tao Ambohijatovo Atsimo - Maty voatifitra niaraka taminy ireo Mpiambina azy GP2 RABOTOVAO Samuel sy GP2 RAKOTOARISOA Bernard
All Rights Reserved.
Dernières mises à jour : 17 mars 2007